Ny fahafahana mamorona dia fanompoana an'Andriamanitra. Ny olombelona dia nomen'Andriamanitra saina sy fahalalana ka ireo no entina manao zavatra tsara sy mahaliana, izany hoe manana toe-tsaina mamorina. Ny fibanjinan'ny olona ny asan'ny tsirairay dia mampitodika ny olona iray amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
5 aogositra 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 1-12)
Ny olona afaka dia manompo an'Andriamanitra, manatanteraka ny asa an-tsitrapo, tsy misy nenina, miasa am-pitiavana. Ny asa ny vahoaka afaka dia mamaritra ny maha izy ny olombelona. Ny miasa maimaimpoana dia mahafoy ho an'ny hafa sy ny Tompo. Ny fitiavana an'Andriamanitra misokatra amin'ny fitiavana ny hafa dia mampitodika amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
4 aogositra 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 54-58)
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco