Nohariana hitovy endrika amin'Andriamanitra, nomeny ny fanahiny ny olombelona rehetra. Ny fanavakavahana mahakasika ny zo fototra dia tsy maintsy foanana satria mifanohitra amin'ny fikasan'Andriamanitra. Efa ao anatin'ny fandaharan'Andriamanitra ny fahasamihafana mba handraisan'ny tsirairay avy amin'ny hafa izay ilainy, izany hoe hisian'ny fifamenoana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alahady 5 marsa 2023 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Taona A — Tao anatin’ny rahona mamimpiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 1-9)
Tsy misy fiaraha-monina ara-drariny mety ho tanteraka, raha tsy voahaja ny hasina maha-olona. Ny lamina sy ny fandrosoana eo amin'ny fiaraha-monina dia tokony hitondra soa ho an'ny olona mandrankariva, satria ny filaminan'ny zavatra dia fehezin'ny filaminan'ny olona. Tsy maintsy tsinjovina ny fiainan'ny olona sy izay ilainy hivelomany amim-pahamendrehana. Katesizy momba ny fiaraha-monina araka ny hevitr'Andrimanitra, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Sabotsy 4 marsa 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco