Eo amin'ny lafiny maha-olona, jerena taratra ilay tanora amin'ny fifandraisany amin'ny mpiara-miofana aminy, amin'ireo mpanabe azy sy ny fifandraisany amin'ny olona hafa rehetra. Natao hitarika vahoaka ny pretra ka tsy maintsy manana fahaiza-mifandray amin'ny sokajin'olona maro. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Zoma 24 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Mpanjakan'ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin'ny vovo-tany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 67-79

Nantsoina ho mpampianatra ny pretra ka tsy azo atao tsirambina ny lafiny ara-tsaina eo amin'ny fiofanana. "Ny fampianarana ao amin'ny seminera tsy natao ho fampitàn-kevitra fotsiny fa tena famolavolana ara-teny finoana sy fanabeazana anaty ny seminarista mihitsy". Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Alakamisy 23 desambra 2021 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...