Tamin’izany andro izany, dia naka vato hitorahana an’i Jesoa ny Jody, fa hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny asa soa nasehoko teo taminareo, avy tamin’ny Ray, ka iza amin’ireny asa ireny no itorahanareo Ahy?" Dia hoy ny Jody namaly Azy: "Tsy ny asa soa no itorahanay Anao, fa ny teninao miteny ratsy an’Andriamanitra; satria olombelona fotsiny Ianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra." Ary i Jesoa namaly azy hoe: "Moa tsy izao no voasoratra ao amin’ny Lalànareo: Hoy Izaho: andriamanitra ianareo? Ka raha ireny nanambaràna ny tenin’Andriamanitra ireny aza antsoin’ny lalàna hoe andriamanitra, ary tsy azo foanana ny Soratra Masina, ahoana no ilazanareo an’Ilay nohamasinin’ny Ray sy nirahiny tetý ambonin’ny tany hoe: miteny ratsy an’Andriamanitra Ianao satria nilaza hoe: Zanak’Andriamanitra Aho? Raha tsy manao ny asan’ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy ianareo; fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy te-hino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asako, dia ho fantatrareo fa ny Ray ato amiko, ary Izaho ao amin’ny Ray." Tamin’izay, dia nitady hisambotra Azy indray izy ireo, fa niala teo an-tanany Izy. Dia lasa Izy nankany an-dafin’i Jordany, amin’ilay tany nanaovan’i Joany batemy voalohany, ka nitoetra tany. Ary maro no nanatona Azy, fa nanao hoe: "Tsy nanao fahagagana i Joany; nefa marina avokoa ny teny rehetra nilazan’i Joany Azy." Koa maro no nino Azy teo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...