Tamin’izany andro izany, raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: "Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona, ary hovonoina Izy, nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo." Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo, dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa, ka nanao hoe: "Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?" Dia hoy i Piera: "Mandoa Izy." Ary raha niditra tao an-trano izy, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: "Ahoana ny hevitrao, ry Simôna? Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia, ny zanany sa ny olon-kafa?" Hoy i Piera taminy: "Ny olon-kafa." Dia hoy i Jesoa: "Raha izany àry, dia afaka ny zanany. Kanefa sao manafintohina azy isika, ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao, dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany, fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao, dia aloavy ho Ahy sy ho anao."

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...