Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’, ary ilay tompon-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho.’ Lazaiko aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohàna. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohàna. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy, raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?"

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...