Mandresy lahatra ny tantsaha ao amin'ny Distrikan'Ambatoboeny Faritra Boeny hikajy ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna ireo teknika fambolena mifanaraka amin'izany ny Fivondronan'ny Tantsaha Miara-mizotra... Miasa amin'ny kaominina miisa 6 ao amin'ity Distrika ity ny fikambanana efa ho 3 taona izao. Sehatr'asa ataony ny fanapariahana ny teknikam-pambolena mikajy ny tontolo iainana mba hiarovana ny nofon-tany sy ny tontolo manodidina. Manatsara ny velon-tenan'ny tantsaha amin'ny alalan'ny varotra iombonana ihany koa ny fikambanana. 3 taona niasana ny fikambanana Miara-mizotra, kanefa efa azo tsapain-tanana hoy Andriamatoa Randriazafison Tsitohaina, filoha mpanorina ny fikambanana Miara-mizotra ny vokatra azo amin'ny faharesehan-dahatry ny tantsaha amin'ny fampià izay fambolena mikajy ny tontolo iainana izay.

Fanamby maro no manoloana ny sehatry ny fanabeazana ankehitriny noho ny firoboroboana sy ny fandroasoan’ny teknolojia. Etsy andaniny maro ny tombotsoa azo avy amin’izy ireny, fa etsy ankilany kosa raha ny fanehoan-kevitra  amin’ny mpandinika dia fantatra fa mbola banga ny fanabeazana eto Madagasikara, fa indrindra amin’izao fotoana mampiazakazaka ny tonolom-pivoarana izao. Misy ezaka sy andriakitra lehibe miandry ny Ray aman-dReny, satria ny fototry ny fanabeazana dia mianga avy any an-tokantrano. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana vaomieran'ny fahasalamana, eo an'ivon-toerana Arrupe.

Mirona kokoa amin'ny fotoam-pifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolontsaina ny sain'ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Raha tiana hatezana ny fiaraha-miasa dia tsy maintsy asongadina ny fifampitokisana, ny fandalàna ny fahamarinana, ireo miorina amin'ny fifankatiavana no miteraka fifandrasiana tsara rindra. Ny tena safidy marina dia izay manome tombony ny "soa" sy "mampivelatra" fa tsy ny mihanona amin'ny "mahafinaritra" fotsiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny aretin'aty dia tsy fahatanterahan'ny asan'ny aty, vokatry ny fihinanana menaka betsaka loatra. Misy sehon'aretina maro raha vao tsy tomombana ny asan'ny aty : malain-komana, mandoa, misy hafanana, tazovony, havizanana, areti-kibo... Misy fanafody mahasitrana tandrify ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo raha vao voatily ara-potoana... Misy tsiranoka mandeha mialohan'ny fahatongavan'ny fadimbolan'ny vehivavy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...