Efa hita taratra ny fiantraikan'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny sehatra maro. Isan-taona dia manao fihaonam-be ireo firenena rehetra ao anatin'ny Firenena Mikambana nanao sonia ny fifanarahana lasitra amin'ny fiovan'ny toetr'andro. Efa misy vokatra azon'i Madagasikara tamin'izany ka entanina hatrany ny tsirairay handray an-tanana ny fiarovana ny tranobe iombonana, araka izay manandrify azy avy. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara...
Mba hiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary dia ilaina ny fanaovana jeri-todiky ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy. Ny tontolo iainana no miantoka ny fiainantsika olombelona. Ny tontolo iainana dia harena voajanahary : tany, rano, vato, olombelona, zava-maniry, biby an-tanety sy anaty rano... I Madagasikara dia manana harena voajanahary betsaka ara-tontolo iainana. Fototry ny fiarovana ny tontolo iainana ny fikarohana sy fandalinana natao, mba afahana mamaritra izay tokony hatao dia io ilay atao hoe politikam-pirenena ho fiarovana ny tontolo iainana...
Ny 01 desambra dia andro eran-tany hanamarihana ny ady amin'ny SIDA. Ny loha-hevitra amin'ity taona ity dia : ankino amin'ny fiaraha-monina ny ady amin'ny VIH/SIDA. Manana andraikitra amin'ny ady amin'ny SIDA ny tsirairay, izay mandrafitra ny fiaraha-monina, indrindra raha mandray fanentanana. Ny ankamaroan'ny malagasy dia tsy mbola resy lahatra fa misy ny VIH/SIDA, efa manodidina ny 1% io tranga io eto Madagasikara. Misy sokajy roa ny olona mitondra ny tsimok'aretina : Seropositif dia ireo mitondra ny tsimok'aretina, Sida maladie dia ireo mararin'ny Sida mihitsy. Mifindra amin'ny alalan'ny firaisana ara-nofo, sy ny fifampikasoana ra, reny mamindra amin'ny zanaka ao am-bohoka...
Mikaroka, mamokatra ary manofana ny tantsaha amin'ny famokarana zezika kankana i Ranaivoarison Basile na i Papa Bio. Zezika biôlôjika iareharehany tokoa ny voka-tsoa azo avy aminy. Miavaka amin'ny famokarana zezika ataon'ny mpamokatra hafa ny teknika ampiasainy...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco