Fomba fiteny ny hoe kibo nidiran'ny rivotra, fa ny marina dia rivotra efa ao anaty kibo ihany fa tsy tafavoaka na sarotsarotra ny fivoahany. Rehefa tratran'izay dia hita mibontsina, mizihitra mihitsy ny kibo ary misy fanaintainana. Rehefa tafavoaka kosa anefa ilay rivotra na sendra mandrezatra dia mahatsapa ho maivana sy mahazo aina. Ankoatra izay mety ho aretina dia matetika avy amin'ny fomba fisakafoana sy ny fomba fitondram-piainana no antony tsy hatafavoahana rivotra...
Nampihatra fomba fambolena voatabia nohatsaraina, ahazoana vokatra haingana ao anatin'ny fotoana fohy ary mandava-taona, mampihena ny vola mivoaka amin'ny fividianana masomboly ny fikambanana Lanja Miakatra...
Mampivelatra ny sain'ny tanora ny fampiasàna ny talentany, anisan'izany ny slam. Mampiroborobo ny maha-olona sy ahafahana maneho ny hevitra sy ny fahaizana amin'ny alalan'ny teny, ny soratra sy ny fikarohana. Manentana ny tanora hikaroka sy hampiasa ny talenta ao anatin'ny kolotsaina sy ny soatoavina...
♦ Ny Ong MICET na Madagascar Institut pour la Conservation des écosystèmes Tropicaux dia misehatra sy miaro ny tontolo iainana. Ny MICET dia noforonina tamin'ny taona 1997 ary nisehtra tamin'ny lafin-javatra maro : fanabeazana, fahasalamana, fampandrosoana ny tontolo eny ambanivohitra... ♦ Ny sakamalao na sakaitany dia zava-maniry fanao amin'ny sakafo ary azo hitsaboana. Ny tetiandro hiotazana ny vokatra dia enim-bolana. Ny sakamalao dia manana anarana ara-tsiantifika : Zingember officinale...
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco