Aorian'ny isa am-polony voalohany dia tsy misongadina firy ny isa fa ny tanisa no mibahan-toerana. Ny fanoharana ny mety ho toeratry ny biby iray sy ny fomba fiainany no narafitra ho tanisa sy nakàna lesona. Aorian'ny bodokely matavy ny toho, dia ireto no tohiny : Kely matsilo loha ny patsa ; ny vano no lava tenda maditra olom-pehezina ; ny fangaraka no kely andilana ny isan-jato no mafy ; ny takatra no fisa-doha matory amorom-paria ; ny soroitra no kely fingo sendran'ny tao-miodivitra, ny goaika no fotsy tenda mangala-boanjo ririnina...
Ny fomba fanisàna, am-polony voalohany dia miresaka ireo zava-maniry sy ny hevitra miodidina izany ; ny am-polony faharoa kosa dia mahakasika kokoa ny biby sy ny kilema ananan'izy ireny. Ao anatin'ity am-polony faharoa ity dia tsy voatanisa mialoha intsony ireo lazaina hoe "tarehimarika". Manomboka amin'ny isa fahairaika ambiny folo : Andrimaintibe ny papango, Kely mpitsoka farara ny takatra, lava tanan-tsy miasa ny foza, bodokely matavy ny toho. Misy hevitra fonosin'ireo fitanisana ireo anefa mifanandrify amin'ny toetr'olombelona...
• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco