Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.

Ny taona 1996 izy no tonga teto Madagasikara. Olona tsotra sy be fitiavana. Nahalalan’ny maro azy ny fanampiana ny mahantra. Tia miasa sy be herim-po. Olon’ny vavaka izy satria tsy nanakana azy hivavaka ny asa maro nankinina aminy. Asa tanana, asa saina, asa natao ho famonjena sy fanompoana ny hafa . Toetra notakian’i Don Bosco tamin’ny saleziana ireo ary niainan’i F. Elio. Miara-dia sy manohana mandrakariva ireo mpiara-miasa aminy izy.

Nandritra ny fahamehana ara-pahasalamana izao, izy no nizara ireo fanampiana ho an’ireo sahirana isaky ny talata sy zoma maraina. Nandray ny valisoany any an-danitra izy teo amin’ny faha-82 taonany.

F Abbio Elio, efa miandry anao any am-paradisa i Don Bosco !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...