♦ Vehivavy iray 46 taona indray no namoy ny ainy vokatry ny Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Lany tetsy amin'ny CCI Ivato nandritra ny fivoriana itambaram-be nataon'ireo Solombavambahoaka ny lalana mifehy ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana... ♦ Hiteraka fampandrosoana isam-paritra ny fahalanian'ny teti-bolam-panjakana 2020 nasiam-panitsiana...

Naneho ny firaisampony amin'ireo rehetra voakasik'ilay horohorontany nahery vaika nitranga tany atsimon'i Mexique omaly talata i Papa François, tamin'ny famaranana ny "Audience Générale" androany.

♦ Hampiasana fitaovana avo lenta ny fanaraha-maso, mialoha sy mandritra ary ao aorian'ny matso, hataon'ny Foloalondahy eny amin'ny Araben'ny Fahaleovan-tena eny Analakely... ♦ Tsy hitondra fahombiazana eto amintsika ny fampiasam-bola betsaka hanarenana ny toe-karena noho izao fiatrehana ny valan'aretina izao, hoy ny mpitarika ny FMI Malagasy... ♦ Manalasalasa ny fiantohana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny fampiharana ilay lalana vaovao mifehy ny fifandraisana sy ny serasera, hoy ny Filohan'ny Holafitry ny mpanao gazety...

♦ Miparitaka haingana eto an-drenivohitra nt tsimok'aretina Coronavirus. Ny 83 tamin'ireo tranga voatily nambara omaly dia avy eto Antananarivo avokoa... ♦ Nitatitra ny zava-bitan'ny Governemanta nanoloana ny Loholona ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Nitrangana haintrano goavana omaly teny amin'ny 67Ha ampita atsimon'ny Vatobe. An-jatony ny trano kilan'ny afo raha ny tarehimarika vonjy maika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...