Alakamisy 21 mey 2020 — I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 16-20 — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo, ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny faran'izao tontolo izao.
♦ Niampy 45 indray ny olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara araka ny tatitra androany... ♦ Miendrika fihantsiana ny nataon'ny fitondrana frantsay amin'ny filazana fa hanangana faritra arovana ao amin'ny Nosy Sambatra izy ireo... ♦ Tafakatra 1.900.000.000 Ariary sahady ny vola very nefa tokony hiditra any amin'ireo mpandraharaha ara-pizahan-tany...
♦ Mandinika amin'ny antsipiriany ny volavolan-dalana atolotra azy ny ao amin'ny Anterimieran-doholona vao mandany izany... ♦ Hiroso amin'ny fametrahana ny solontenany eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny Rodoben'ny Mpanohitra ho an'ny Demokrasia eto Madagasikara na ny RMDM... ♦ Tsy maintsy amin'ny alalan'ny fifampiresahana no hamahana ny olana eo amin'ny France sy i Madagasikara...
♦ Miisa 326 ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara tao anatin'ny roa volana... ♦ Nitsidika tany Moramanga omaly ny Praiministra Ntsay Christian. Isan'ny anton-diany ny faametrahana lamina ho fanamafisana ny ady atao amin'ny Covid-19... ♦ Hitaky ny hanoloana ireo Loholona roa, lany tamin'ny anaran'ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara, nametra-pialana ny vondrona parlemantera HVM...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco