♦ Hifanatrika mivantana amin'ny Solombavambahoaka anio tolak'andro ireo mpikambana sasany ao amin'ny Governemanta... ♦ Manamafy ny fitakiany hisian'ny tena mangarahara amin'ny fomba fampiasana ny teti-bola iadiana amin'ny Coronavirus eto amintsika ny fikambanana maro anatin'ny firaisa-monim-pirenena... ♦ Misy amin'ireo mpitatitra no mitsipaka marin-drano ny hiantohany ilay "gel désinfectant" ...
Tsy afaka haharitra ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson'ny mahantra, hoy ny Papa François, manentana antsika hanamarika ny herinandron’ny « Laudato Si’ » ny 16 ka hatramin’ny 24 mai 2020. Amin’io fotoana miavaka io, hiombom-po ny katolika eran’izao tontolo izao, handalina, hivavaka, miaraka hanomana ny hoavy tsara kokoa.
♦ Nitombo 15 indray ireo olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara, raha ny vokatry ny fitiliana vita omaly tontolo... ♦ Nivahiny tamin'ny fahitalavitra iraisam-pirenena France 24 sy RFI omaly ny Filoham-pirenena Malagasy... ♦ Hozaraina bokikely famintinana lesona sy hanaovana fampiharana ireo mpianatra amin'ny sekoly ambaratonga faharoa manerana an'i Madagasikara...
Talata 12 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31 — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin'ny voninahiny.
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco