Alarobia 20 mey 2020 — Herinandro fahenina amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15 — Natsangan'Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin'ny Hazofijaliana noho isika.

♦ Olona efatra vaovao indray no voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika... ♦ Na misy aza ny fidinan'ny vidin-tsolika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena dia tsy maintsy ny fifanarahana eo amin'ny Kompanian-tsolika sy ny Fanjakana ihany ho ahafahana mametra ny vidiny eto Madagasikara...

♦ Tsaboina ao amin'ny hôpitaly Anosiala, ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ilay olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tany Mahajanga... ♦ Namoaka didim-pitondrana ny any amin'ny faritra Amoron'i Mania fa tsy maintsy manao arotava ny mponina any... ♦ Tsy ampy iatrehana ny firongatry ny tazomoka eto amintsika ny fanafody misy hoy vondron'ireo mpivaro-panafosy matihanina...

♦ Tafakatra 322 ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Toherin'i Madagasikara amin'ny fomba hentitra ny fikasan'i Frantsa hametraka ilay ivo-toerana mbomba ny tontolo iainana any amin'ny Nosy Sambatra... ♦ Mitaky ny hanajana ny fisaraham-pahefana eo amin'ny fahefana mpanatanteraka, fahefana mpanao lalana ary fahefam-pitsarana ny vondrona parlemantera tsy miankina na ny GPR...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...