Alatsinainy 11 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izao itoeran'i Kristy eo ankavan'Andriamanitra, no katsaho.

Alahady 10 mey 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-12 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.

♦ Miantso ny hampiatoana ny fampianarana sy ny hanemorana ny fidirana an-tsekolin'ny mpianatra ny Firaisamonimpirenena misehatra amin'ny fanabeazana... ♦ Misedra olana ara-tsakafo sy rano ny voafonja araka ny fitarainana voarain'ny Vaomieram-pirenena misahana ny zon'olombelona... ♦ Hifarana amin'ny fomba ôfisialy afaka herinandro ny fanavaozana ny lisi-pifidianana...

♦ Nampiahiahy ny fitondram-panjakna ny tsy fitovian'ny vokatry ny fitiliana ny Coronavirus navoakan'ny CCO sy ny OMS... ♦ Tsy mahagaga raha tsy mahomby ny ady amin'ny Coronavirus eto Madagasikara satria diso paikady ny fitondrana, hoy ny Solombavambahoakan'i Toamasina Roland Ratsiraka... ♦ Sekoly maro tao an-drenivohitra no tsy nahitana fampianarana omaly...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...