Alakamisy 26 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 5, 31-47 — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

♦ Tsy nisy tranga vaovao na olona nahitana ny tsimok'aretina Corona Virus tao anatin'ny 24 ora ary tsy nisy ny aina nafoy... ♦ Nihatsara ny fahasalaman'ireo olona mitondra ny tsimok'aretina taorian'ny fandraisana an-tanana nataon'ireo Malagasy manam-pahaizana, mpikaroka, mpitsabo azy ireo... ♦ Manaraka ny toromarika avy amin'ny Filoham-pirenena ny amin'ny fanaraha-maso sy fandaminana ary ny fitsinjarana ireo vary mora kosa ny Solombavam-bahoaka...

♦ Tokony samy hanaja ny zon'ny mpiasa ny mpampiasa amin'ny sehatra tsy miankina ho an'ireo orinasa mbola manohy ny sehatr'asany... ♦ Manentana ny Malagasy rehetra samy hijanona any an-tranony avokoa ny filohan'ny FMI Malagasy... ♦ Manohy ny iraka tanterahana andavan'andro ny Banky Foiben'i Madagasikara...

Alarobia 25 marsa 2020 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38 — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ary ny lalànao no fanafahana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...