♦ Mandray anjara amin'ny fivoriana faha-80 ho an'ny firenena mikambana any New York ny filoha Malagasy Andry Rajoelina, handray fitenenana amin'ity fivoriana ity ny tenany... ♦ Velaran-tany 17 Ha ao amin'ny Nosy-Sakatia, ahitana tranon'olona, toeram-pambolena no voakasik'ilay tetik'asa goavana anà-vahiny mpanambola, ary mahazo ny fankasitrahan'ny fitondram-panjakàna... ♦ Mbola tsy nisitraka ny zony, araka ny didy voalazan'ny fitsaràna, hatramin'izao ny mpiasa miisa 15 amin'ny orinasa iray eny Amboditsiry... ♦ Mitaky ny famotsorana ireo takalon'aina rehetra eo am-pelatanan'i Hamas ny filoha Frantsay, ho takalon'ny fankatoavany ny fijoroan'ny fanjakàna Palestiniana...

Isany nampalaza ny Mpanjaka Andriambahoaka Afovoan'ny tany ny fisian'ny angano miresaka ny momba azy sy ny fifaninanana vokatr'izany satria teraka teo ireo ambara ho  Andriambahoaka-avaratra sy Andriambahoaka-atsimo. Ny lafiny ara-toe-karena no nifaninanana tamin'izany. Niavaka tamin'ny fitondrana ny vahoakany ihany koa Andriambahoaka noho izy nanaiky ny tolo-kevitra avy amin'ny mpanolontsaina, mpitondran-tenin'ny vahoaka. Andriambahoaka no nanambatra an'i Imamo efatra toko...

♦ Tsy hihemotra amin'ny hetsika kasainy hatao amin'ny 25 septambra izao ny mpanolontsainan'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra avy amin'ny fanoherana. Tafapetraka omaly ny taratasy fampahafantarana sy fangatahana alalana teny amin'ny préfet... ♦ Niaiky ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'afo fa tena misy fiatraikany lehibe amin'ny asa fiharin'ny tsirairay ny olan'ny angovo misy ankehitriny. Miantso ny rehetra mba ho tony anefa ny ministra... ♦ Mpianatra miisa 6 sy zandary iray no naratra, vokatry ny hetsiky ny mpianatra teny Vontovorona omaly... ♦ Nilaza ny fanekeny tamin'ny fomba ôfisialy ny fijoroan'ny fanjakàna Palestiniana ny filoha Frantsay Emmanuel Macron...

Nitsilo ny sain'olombelona mpanoratra ny Boky Masina Andriamanitra. "Mba hamoronana ireny boky masina ireny, ka nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan'izy ireo sy ny fahafahan'izy ireo Andriamanitra, niasa tao amin'izy ireo sy tamin'ny alalan'izy ireo Andriamanitra tenany, hampetrahan'izy ireo an-tsoratra, hifanaraka tamin'ny fanirian'Izy Mpitsilo... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...