♦ Nangataka tamin'ireo mpitarika ny tolona eny amin'ny kianjan'ny 13 mey mba hampitsaharana ny hetsika amin'izay ny filohan'ny filan-kevitra miaramila Kôlônely Michaël Randrianirina... ♦ Nilaza ny handefa iraka hanadiady sy hanelanelana momba ny toe-draharaha pôlitika eto Madagasikara ny SADC, araka ny fanambarana ôfisialy navoakany... ♦ Ahiana hitarika amin'ny fanasaziana an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra fitanterana an'habakabaka iraisam-pirenena ny fikatsoan'ny asa eo anivon'ny "Aviation Civil de Madagascar"...

♦ Hisy anio ny fihaonana eo amin'ny filan-kevitra miaramila sy ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ; hiroso amin'ny fanovana ireo mpikamban'ny birao maharitra ny eny anivon'ny antenimieram-pirenena... ♦ Nandray ny fitantanana ny firenena nanomboka omaly ny Kôlônely Michaël Randrianirina noho ny fahabangan-toeran'ny filoham-pirenena sy ny filohan'ny Antenimieran-doholona araka ny fanapahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana... ♦ Solombavambahoaka 130 no nampiato tamin'ny asany ny filoha Rajoelina nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana teny amin'ny antenimieram-pirenena, omaly...

Ny evanjely dia vokatry ny toritenin'ny apôstôly mifanentana tanteraka amin'ny olona nanatrika azy ireo ; ohatra ny an'i Masindahy Matio dia nosoratana ho an'ny Jody lasa kristianina tao amin'ny faritr'i Palestine, Masindahy Marka dia nanoratra ho an'ny kristianina ivelan'ny Jody na ilay atao amin'ny teny vahiny hoe Paganochretien. Masindahy Lioka nanoratra ho an'ny Jentily... Katesizy momba ny Testamenta Vaovao, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.

♦ Ho raisin'ny foloalindahy fiadidiana iombonana ho an'ny fanavaozana ny fitantanana ny firenena, ho ravana avokoa ireo andrim-panjakàna rehetra... ♦ Nolanian'ny solombavambahoaka teny amin'ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza ny fampihatoana ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina amin'ny asany... ♦ Namoaka fanapahana ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, manoloana ny fahabangàn'ny toeran'ny filohan'ny repoblika sy ny filohan'ny antenimieran-doholona, manendry ny Kôlônely Randrianirina Mickael ho filoham-panjakàna... 

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...