Ny relijiozy dia manao ny voadin'ny fahantrana an-tsitrapo ; i Kristy, ilay nanaiky hahantra mba hampanan-kerena antsika amin'ny fahantrany, araka ny ambaran'i Masindahy Paoly ao amin'ny Taratasy faharoa ho an'ny Kôrintianina. Ny fiankinan'ny relijiozy amin'ny Lehibeny amin'ny fampiasana ny harena dia fanehoana ny fahantrana... Katesizy momba ny relijiozy, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Alahady 13 jolay 2025 - Alahady faha-15 mandavantaona — "D" : Akaiky antsika Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy. Zava-poana ny fanarahana ny lalàna anefa tsy mahavita manolontena ho fanasoavana ny hafa ; ilaina ny fitiavana namana, sy ny fangorahana ny hafa. Ny tena fitiavana marina dia ny fanafohanana ny elanelana, tsy fitoviana na harena na fahefana. Mila fanatrentena ny fitiavana ny hafa. Ny namana tsara dia ireo izay mikaraka ny hafa, ireo maneho hatsaram-po, ireny no miteraka fifankatiavana sy finamanana lafatra...
♦ Nanamarika ny andro afrikanina ho an'ny ady atao amin'ny kolikoly isika teto Madagasikara omaly faha-11 jolay. Nohazavaina nandritra izany ny paik'adim-pirenena vaovao iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany ho an'ny mponina. Lohahevitra novoizina ny fanomezana ny tanora ny fomba hanorenany ny fianakaviana araky ny safidy ao anatin'ny tontolo marina sy feno fanantenana... ♦ Manohy ny ady sisika amin'ny fampiakarana karama ny valabe firaisankinan'ny sendika eto Madagasikara. Misy ny hetsika fanangonan-tsonia ataon'izy ireo hitakiana izany...
♦ Mihamitombo ny tahan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA eto Madagasikara. Tsy maharaka ny fitaovana fisorohana ny fiparitahany sy ny fandraisana an-tanana ireo marary... ♦ Nihena ny taham-pahafahana fanadinana BEPC, ho an'ny Cisco Antananarivo-renivohitra tamin'ity taona ity raha oharina tamin'ny taona 2024, nivoaka omaly ny voka-panadinana... ♦ Efa mamokatra fromazy tsara kalitao ny Malagasy mpamokatra. Mbola tsy ampy nefa ny tolotra amin'ny ronono ho antsika Malagasy... ♦ Nokianin'ny Praministra Senegalais ny filoha Bassirou Diomaye Faye, tsy mandeha araka ny tokony ho izy ny fitantananaa an'i Senegal hoy izy...
• Nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny alahadin'ny ranomasina, ny Arsidiosezin'i Toamasina... • Hotanterahana ny sabotsy 26 jolay 2025 ny “Journée écologique”, karakarain'ny VEF, Diosezin'Antananarivo... • Tsy maintsy misy akony ny antsoantson'ireo iharan'ny herisetra, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ireo mpivahiny masina ortodoksa katolika, ny alakamisy teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco