♦ Mbola ao anatin'ny fakan-kevitra samihafa amin'ireo olona heveriny fa handrafitra ny governemanta ny filohan'ny repoblika, hatramin'ny androany maraina, hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Hanaovana fitsirihana ara-teknika sy ara-tsiantifika ireo trondro maty, hita nitsingevana tao amin'ny reniranon'i Lanirano... ♦ Hamafisina ny fanohanana ireo hetsika hiadiana amin'ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahaleovan-tena ara-tsakafo hiarahana amin'ny FAO, PAM, FIDA...

Ny teny hoe " fampianarana momba ny fiaraha-monina sy ny sôsialy " dia efa nisy hatramin'ny Papa Pie XI, enti-milaza ny "antontan-tsoratra mirakitra ny fampianarana mikasika ireo loha-hevitra manan-danja eo amin'ny lafiny sôsialy (PieXI, Quadragesimo anno, 1931, n°-87).  Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Alarobia 16 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28

♦ Hanome lanja ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa, manoloana ny fivoarana momba ny nomerika ankehitriny, ny fanjakana malagasy. Isan'ny nanamarika ny Andro Iraisam-pirenena momba ny Zon'ny Mpanjifa i Madagasikara, androany... ♦ Voapoizina noho ny fanariana rano maloto tao amin'ny renirano manodidina ve no nahafaty ireo tondro tao amin'ny renirano any Taolagnaro ? Hanaovana fitsirihana teknika sy siantifika ao amin'ny Laboratoire INSTN ao Antananarivo ireo trondro maty ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...