Talata 15 marsa 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12
♦ Tsy misy ahiana ny lisi-pifidianana very tany Maintirano, hoy ny teo anivon'ny CENI Foibe. Mbola lisitra vonjy maika mantsy izy iny... ♦ Tsara ny fifandraisana ara-tafika eo amin'i Madagasikara sy i Lafrantsa ary hotohizina hatrany izany. Eto amintsika ny Talen'ny Fitantanana ary ny fiaraha-miasa momba ny filaminana sy ny fiarovana anatiny eo anivon'ny raharaham-bahiny frantsay...
♦ Nanatanteraka sit-in nanoloana ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena, androany, ireo ampahany amin'ireo mpiasa misahana ny fampidirana ny laza adina Cepe sy Bepc noho ny tsy fandraisana karama... ♦ Tsy handefitra amin'ireo mikasa hanao amboletra hampihatra fahefana eo am-pelatanany , hidirana ho mpampianatra mpikaroka sy mpandraharaha eny amin'ny oniversite sy ny Seces... ♦ Tsy voafehin'ny ministera tompon'andraikitra ny vidin'ny PPN, hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa...
♦ Mbola voatazona ny fitakian'ny sendikan'ny Seces amin'ny fanesorana ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Tsy mitovy hevitra ireo fikambanana miaro ny mpanjifa amin'ny hetsika hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanjifa rahampitso... ♦ Nisafidy ny hanampy ny Ankany fitaizana zaza kamboty any Ambohimpiadanana-Anjomakely kosa ny vehivavy katôlika eto amin'ny diôsezin'Antananarivo ho fankalazana ny andron'ny zon'ny vehivavy...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco