Alakamisy 3 marsa 2022 — Alakamisy manaraka ny lavenona — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 22-25
♦ Miantso ireo Solombavam-bahoaka namany, ny vondrona Parlemantera TIM, hiroso amin'ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Tsy mahafehy andraikiny intsony ny fitondrana mpanatanteraka, hoy izy ireo, raha nanao fanambarana teny Tsimbazaza androany... ♦ Mitokona mandritra ny fotoana tsy voafetra ny mpiasan'ny CROUA maherin'ny 200 eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Manambana ny hanao fitokonana koa ireo mpandraharaha miasa eny an-toerana, noho ny ambaran'izy ireo fa fanaovana anjorom-bala amin'ny fahazoana ny tambin-karama...
♦ Nahazo vola 10 tapitrisa dolara mahery, fiantohana amin'ny rivodoza i Madagasikara, vola tsy averina hoy ny praiministra, Ntsay Christian... ♦ Miisa 15 ireo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Emnati raha ny tatitra farany navoakan'ny BNGRC omaly hariva... ♦ Hivoaka tsy ho ela ny fanapahan-kevitra raisin'ireo ministera telo nomen'ny filoham-pirenena toromarika, amin'izay rehetra hatao amin'ny fisokafan'ny fitanterana an'habakabaka amin'ny 05 marsa 2022...
Mandalo ny fiainana "olom-banona" vao afaka miaina ny maha "olom-pirenena", manana adidy sy andraikitra. Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco