Talata 22 febroary 2022 — Fiketrahan'i Masindahy Piera, Apôstôly — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatotampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19
♦ Rivodoza Emnati : mampihatra ny loko mena, loza mitatao avy hatrany manomboka anio amin'ny 8 ora alina ny Faritra : Atsinanana, Vatovavy ary Fitovinany... ♦ Tombanana hihaontra ny roa alina sy iray hetsy ny isan'ny traboina amin'ny ho fandalovan'i Emnati, hoy ny BNGRC... ♦ Lesola mila harenina amin'ny famokarana ronono eto amintsika, ny tsy fahampian'ny vilona atao sakafon'omby, amin'ny habetsaha sy ny kalitao...
♦ Nandefa telegrama ho fiombonam-po sy fankaherezana ny vahoaka Malagasy, ny Papa François... ♦ Atolotr'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ny vavaka iombonana ho an'ny JMJ Mafa faha-10... ♦ Nihaona tamin'ny Papa François ny Filohan'ny Repoblika Zambiana, Hakainde Hichilema...
♦ Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan'i Vatomandry sy Farafangana rahampitso tolak'andro na ny alina ny rivodoza Emnati, hamakivaky ny afovon-tany, ary hivoaka an-dranomasina amin'ny alarobia... ♦ Hanomboka amin'ity herinandro ity avy hatrany ny fandinihana ny fametrahana ilay mpandrindram-pirenena ny tetikasa PTASO, tetikasa hampiasana vola 25 000 000 dolara, fiaraha-miasa amin'ny BAD... ♦ Mikatona efa ho roa volana izao ny CSB-II any amin'ny kaominina Maharonjy-Ankazobe. Notafihan'ny dahalo roa volana lasa izay, ity tobim-pahasalamana ity...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco