♦ Tafakatra ho 48 ankehitriny ireo olona fantatra fa namoy ny ainy vokatry ny loza samihafa nateraky ny rotsak'orana nisesy, farany teo... ♦ Miverina mianatra ny mpianatra amin'ny alatsinainy izao, ary nanome toromarika ny hanamboarana haingana ireo sekoly simba ny Filoha nandritra ny filankevitry ny Minisitra... ♦ Hiala nenina farany hatramin'ny alatsinainy izao ny Federasiona Malagasin'ny Baolina lavalava mba hidiran'ireo mpisehatra rehetra ao anatin'ny lisitra faoben'ny baolina lavalava malagasy...

Fantaro fa tsara noho ny volamena ny fahasalamana aman-toe-tena tsara. Aleo vatana mavitrika toy izay harena tsy hita lany (Ekles 30, 15b). Mila mahay mandanjalanja ny fiatraikan'ny zavatra atao amin'ny fahasalamana.

Anjara toeran'ny mpanabe eo amin'ny fandanjalanjana ny antso : Mitaratra ny fiainam-panahy, fiaraha-monina, fahalalana ary fahasalamana. Tombanana mba hirindra tsara ireo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

♦ Mahatsapa tsindry ataon'ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalana amin'ny asam-pitsarana ireo mpitsara. Nasongadin'ny Filoha vaovaon'ny Sendikan'ny Mpitsara izany, nandritra ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filoha teo aloha, androany... ♦ Mimenomenona ny Sendikan'ny Polisy, SEFPONAM, manoloana ny nampiasana ireo Polisy sasany hanala tsikafona sy nisokitra tatatra tao an-drenivohitra, farany teo. Nilaza ho naharay fitarainana maro avy amin'ny Polisy nandray anjara tamin'izany ity sendika ity...

[Miara-dàlana] Zoma 5 septambra 2025

• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...