Mirary ny rehetra hiaina ny fitiavana entin'ny Noely ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Ny olona mahitsy fandeha dia miaina amin'ny fitiavana sy mifampitsimbina, hoy izy, manalavitra ny fitiavan-tena sy ny fifampiandaniana. Tsy hohadinoin'ny Eglizy ihany koa ny mivavaka ho an'ireo zohim-pahoriana ankehitriny mba hampian'Andriamanitra sy hankahereziny izy ireo.
"Enga anie ny fahazavan’i Jesoa Zazakely hitondra fifaliana sy fiadanana ary fanantenana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo mahantra izay ao am-pon’ny Papa François", io no votoatin'ny firarian-tsoa nataon'ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, tamin'ny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny Noely 2021 sy ny Taona vaovao 2022. Mankahery azy ireo izy mba handroso hatrany ho amin'ny tontolon'ny Hazavana.
Ny fanomanana hitondra vahoakan'Andriamanitra no hobanjinina mandrakariva mandritra ny fampianarana ny seminarista. Mbola any amin'ny toeram-piofanana dia efa mirotsaka sahady eny amin'ireny sehatra pastoraly misy amin'ny Eglizy izy, maka traikefa sy mianatra, manampy an'ireny Aomoneria ireny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina "fiofanana", iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
Nambaran'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondranam-ben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny firarian-tsoan'ny Noely fa tsy nahasakana ny fahatongavan'i Jesoa tonga eo anivontsika ny fahantran'ireo ray aman-dreniny, ka na eo aza ny fahoriana sy ny fahantrana iainantsika ankehitriny dia tonga miara-dia amintsika i Jesoa amin'izao Noely izao. Enga anie ho tany fialofana ho an'ny vahoaka malagasy rahatrizay ny tany izay injadian'ny mosary ankehitriny.
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco