♦ Nametraka fitoriana mahakasika ny herisetra nahazo ireo mpanao gazety omaly ary mangataka fifonana avy amin'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny zandarimariam-pirenena ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Nanodidina ny 50 teo ireo olona efa voasambotra sy efa navotsotra nandritra ny hetsika "Leo delestage" nanerana ny nosy, izy ireo izay narovan'ny mpisolovava am-polony niasa an-tsitrapo... ♦ Tsy midika ho gaboraraka ny fanomezan-dàlana haneho-hevitra hoy ny fanambarana nataon'ny teo anivon'ny EMMONAT, nilaza ny hijoro hiaro ny tany tan-dàlana izy ireo...

♦ Hanatevin-daharana ny hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" eny Ambohijatovo anio voalohan'ny volana oktobra ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA, hetsika izay tsy nahazo alalana avy amin'ny prefektora ny fanatanterahana azy... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ihany koa manomboka anio alarobia ny mpiasam-panjakàna izay tarihin'ny valaben'ny firaisankinan'ny sendikan'ny mpiasam-panjakàna (SSM)... ♦ Voatohitohina amin'ny fanatanterahana ny asany ireo mpanao gazety manao ny fandrakofam-baovao amin'ny hetsika "leo delestazy sy tsy fisian'ny rano", mijoro miaro ny mpanao gazety araka izany ny holafitra sy ireo fikambanan'ny mpanao gazety marolafy...

Ny Baiboly dia manambara zavatra maro, ny Baibolin'ny Jody dia mizara telo mazava tsara, isan'ireny ny mikasika ny Lalàna sy ny Mpaminany. Ao anatin'ny fizarana voalohany ny "Lalàna" ahitana boky 5, ahitàna ny fiandohan'izao tontolo izao, ny fivoahana avy tany Ejipta ; lalàna mifehy ny mpisorona, ny fanisàna. Ny miresaka ny "Mpaminany" : Josoe, Mpitsara, Samoela... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

• Tafiditra tao Ambohijatovo androany tolakandro ny mpanao fihetsiketsehana. Naparitaky ny mpitandro ny filaminana anefa izy ireo avy eo... • Nozimbazimbain'ny mpitandro ny filaminana indray ny asa fanaovan-gazety androany. Fanahiniana nopotehana ny fitaovana nampiasain'ny mpanao gazety sasany teny an-kianja io takariva io... • Nisokatra ofisialy tamin'ny 7 marsa 2025 teo ny famotorana ireo tompon'andraiki-panjakana ambony, nandika ny Lalam-panorenan'ny Repoblika Fahefatra, manan-kery amin'izao fotoana izao, hoy Andriamatoa Razafimandimby José, Filohan'ny Fikambanana Fiverenana Andoharano...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...