Talata 19 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38
♦ Tsy tana ny ain'ilay zaza valo taona, iray tamin'ireo sivily enina naratra tamin'ny lozam-pifamoivoizana teny Ambatobe... ♦ Efa tomombana ny fandraisana ny fivoriana ara-potoan'ireo Solombavam-bahoaka, izay hanomboka rahampitso... ♦ Tsy ahitana henan'omby any amin'ny tsenan'i Mananjary, efa ho efatra andro izao...
♦ Notanterahina tamin'ny sabotsy ny Eokaristia Masina nanombohana ôfisialy ny taom-pianarana 2021-2022 ho an'ny sekoly katôlika, natao teny amin'ny Esca Antanimena... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fahantrana lalina ny fikambanana ATD quart Monde ny sabotsy teo. Loha-hevitra nanamarihana izany ny hoe : ankizy mahomby amin'ny fianarana antoka iadiana amin'ny fahantrana lalina, indrindra ny vehivavy... ♦ Mbola hisy omby vavy an'arivony no hafaran'ny fanjakàna mba ahafahana mameno izay vokatra ronono tsy ampy eto Madagasikara...
Alatsinainy 18 oktobra 2021 — Masindahy Lioka, evanjelista — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao mba handehananareo sy hahavokaranareo ary hampaharitra ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Lioka 10, 1-9
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco