♦ Vonona ny handresy an'i Bénin ny Barean'i Madagasikara amin'ny lalao hatao rahampitso. Ao anatin'ny tanjaka avokoa ireo mpilalao rehetra, hoy ny mpanazatra... ♦ Misy ny tapakila amidy, ho an'ny lalao baolina kitra rahampitso eny Mahamasina, ankoatra ireo efa nozaraina... ♦ Nisantatra ny famoahana ny voka-panadinana bakalôrea kosa ny tany Toamasina. Nahatratra 42,19% ny taham-pahafahana...

♦ Olona miisa 19 no nahitàna trangana pesta aretin-tratra tany Arivonimamo, hatramin'ny afak'omaly alatsinainy... ♦ Miverina an-tsekoly manomboka androany 01 septambra ireo mpianatra amin'ny sekoly miankina amin'ny fanjakàna, araka ny tetiandro napetraky ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Manomboka izao, dia tsy maintsy manazava tsara ny didim-pitsarana avoakan'ny mpitsara, hoy ny ministry ny fitsaràna, raha nihaona voalohany tamin'ireo mpitsara tao Anosy omaly...

♦ Neken'ny CAF ny hijeren'ny vahoaka Malagasy ny lalao hifanandrinan'ny Barea sy ny ekipan'ny Ecureuil avy any Bénin rahampitso alakamisy, ka mpijery 10.000 isa no afaka mijery izany... ♦ Mahazo laka indray tato ho ato ny asan-dahalo ato amin'ny faritra Analamanga, isan'ny lasibatra ny eto amin'ny distrika Ambohidratrimo... ♦ Manana ny paik'ady sy drafitra matotra entina  hanarenana ny seham-pitanterana anabakabaka eto Madagasikara, indrindra ny kaompania Air Madagasikara ny Ministra Tinoka Roberto...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...