Miteraka hafaliana lalina sy maharitra ny fahatsapana ny filaminana sy  fahitana ny maha-izy azy ny tena. Mihamaivana ny tena rehefa avy nizara ny fiainana : "entan-jaraina mora zaka". Katesizy momba ny fifampizarana andram-piainana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.

Sabotsy 28 aogositra 2021 — Herinandro faharaika amby roapolo mandavantaona — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 14-30

♦ Voaresaka nandritra ny fihaonan'ny Filoha frantsay, Emmanuel Macron sy ny Filoha Andry Rajoelina, androany tolakandro, ny mikasika ireo Nosy manodidina na ireo "Iles éparses"... ♦ Tao aorian'ny fanatanterahana ny fihaonam-ben'ireo mpandraharaha avy amin'ny tany mampiasa ny teny frantsay, dia nanapa-kevitra ireo mpandraharaha nandray anjara fa tsy hiandriandry izy ireo fa misy avy hatrany ny drafitr'asa napetraka hatao ato anatin'ny telo volana...

♦ Nomarihina nanomboka ny 26 aogositra 2021 ny fankalazana ny faha-80 taona naha "Vicariat apostolique" an'i Miarinairvo... ♦ Ny pretra fransiskanina no hitantana ny sanctuaire mitondra ny anaran'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, ao Farafangana... ♦ Mifandraika ny lalana sy ny fahafahana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy nandirtra ny "Audience générale", ny alarobia 25 aogositra 2021...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...