Tsy misy mahavita tena fa samy mila ny hafa daholo isika ; tsy misy mahasahy milaza hoe "tsy mila anao aho" hoy Pape Fransoa. Misy ireo mahafantatra sy mahalala ny talenta ananany saingy tsy hasehony izany na tsy dia ampiasainy akory, na ihany koa tsy mahafeno ny fepetra apetraky ny baiboly izy mba hampiasany izany. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Ny "fibrome myome" dia fivontosana eo amin'ny nofo mamono ny tranonjaza, satria ity farany dia misy fonony. Io fivontosana io  dia tsy mivadika ho homamiadana mihitsy. Ny antony mety hatonga io fivontosana io dia mety ho fikorontanan'ny tsirim-panentana ; metsaka loatra ny tahan'ny "oestrogène" na tsy ampy ny "Progestérone". Mety ho antony ihany koa ny fihinana na fiosorana vokatra misy "oestrogène"...

♦ Ny fihaonana amin'ireo mpandraharaha Frantsay sy ireo Malagasy monina any Frantsa, no fandaharam-potoanan'ny filohan'ny repôblika Malagasy amin'ny diany any Frantsa... ♦ Laharam-pahamehana ho an'ny faritra atsinanana ny fizahan-tany. Isan'ireo lalana efa amboarina ny mihazo an'i Manambato, toerana mahasintona mpizahan-tany... ♦ 43%-ny mponina eto Madagasikara ihany no misitraka rano fitsotro madio. Mila teti-bola 174 000 000 dolara/taona hatrarana ny 70% ambiny...

♦ Hiditra amin'ny dingana faharoa amin'ny volana septambra ny fanajariana ny morontsirak'i Toamasina, na ny tetik'asa Miami... ♦ Maimaimpoana ny fisoratana anarana eny amin'ny sekolim-panjakàna amin'ity taom-pianarana ity, hoy ny teo anivon'ny Ministeran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Miisa 159 ireo tera-tany Malagasy tavela tany ivelany, no tonga an-tanindrazana omaly teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...