Araka ny voalazan'i Md. Paoly amin'ny taratasy nosoratany hoe " fa izahay moa mpiara-miasa amin'Andriamanitra ; ary ianareo kosa sahan'Andriamanitra sy trano arafiny" (I Kor 3,9), HIta fa misy fifandraisana sy fiaraha-miasa manaraka rindrandamina sy maharitra eo amin'ny mpiara-miasa dia  ny eo amin'i Jesoa Kristy sy ny mpianany. Tanjona iray no iraisana dia ny mba hampivaotra ny tsirairay. Katesizy momba ny fiaraha-miasa amin'ny hafa, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Talata 17 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 23-30

♦ Mbola miaina anaty fitaintainana sy alahelo ny fianakavian'ilay renim-pianakaviana maty nofiraina antsy, tao Bekomafa Vondrozo, iray volana aty aoriana... ♦ Nanomboka androany ny famindram-pahefana eo amin'ireo minisitra teo aloha sy ny minisitra vaovao. Hitondra ny heviny eto, ny Solombavam-bahoaka IRD, izay naniry ny hahamaro isa ireo Solombavam-bahoaka ao anatin'ny Governemanta...

♦ Pretra iray avy amin'ny fikambanana Montfortain, no nohamasinina ho pretra omaly, tao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Feno 35 taona tamin'ny taon-dasa ny niorenan'ny fikambanan-dry Masera ZAFIMA na Zanakavavin'ny Fiangonan'i Mahajanga. Nomarihina omaly izany, tao amn'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Tontosa omaly, ny Zaikaben'ny MDMK tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...