♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny Eglizy ny Papa François, amin'ity volana aogositra ity... ♦ Napetraka omaly ny Tonian'ny Fivondronana faha-11 ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Aumônerie militaire ho an'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Notontonsaina ny 7 sy 8 aogositra teo ny fivoriam-be faharoa fanaon'ny FFVA teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo...
♦ Nanome fe-potoana ho an'ny tompon'andraikitra, hamaha ato anatin'ny andro vitsy ny fidangan'ny entana ilain'ny mponina andavan'andro ny filoham-pirenena Andry Rajoelina... ♦ Voafehy amin'izao ilay valan'aretina "FVR" nahazo ny omby sy ny ondry aman'osy tamin'ny faritra vitsivitsy teto amintsika... ♦ Ho tanterahina ny 29 aogositra izao ny lanonana fitokanana ny kianja Barea Mahamasina, ho santarina amin'ny lalao ara-pirahalahina hiaonan'i Barea sy ny ekipa avy atsy Seychelles...
♦ Raharaha fikasàna hamono olom-panjakàna ambony eto Madagasikara, sokajin'olona maro no tafiditra ao anatiny : mpanao politika, mpitandro filaminana, mpitarika sendika sy fiarahamonim-pirenena... ♦ Manomboka androany ny fanadinana bakalôrea manerana ny nosy, mpiadina maherin'ny 190 000no hiatrika izany... ♦ Mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana. Noalefahana ny fepetra ampiharina momba izany...
Tsy zaza na ankizy intsony ny tanora fa efa manomboka mandray andraikitra maro isan-karazany, ka mirotsaka miaraka amin'ireo olon-dehibe amin'ny fampandrosoana. Ny fahaiza-manao hananan'ny tanora dia tokony koloana tsara, tsy mety anefa ny mandeha irery fa ilaina hatrany ny mifanampy sy mifanohana na amin'ny samy tanora na amin'ny sokajin'olon-kafa. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco