Ny tontolo iainana : samy miaritra ny voka-dratsin'ny fahasimban'ny tontolo iainana izao tontolo izao ankehitriny ; anefa samy tsy manana soritr'asa mazava hamerenana izany na dia ampahany aza. Ny zava-boary dia velona tsy misy olombelona fa ity farany no tsy velona raha tsy misy zava-boary. Katesizy momba ny famolavolana ny maha izy ny tena, iarahana amin'i P. Rakotomanantsoa Jean Louis.

♦ Nisongadina tamin'ny lahateny nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay androany, ny Nosy malagasy izay tsy mampitovy hevitra an'i Madagasikara sy i Lafrantsa... ♦ Nampiato ny hetsika nataony androany, ireo mpiasan'ny CTC-19, saingy mbola mitaky ilay tambikarama manokana izay nambaran'ny Filohan'ny Repoblika...

♦ Hihazo an'i Abidjan Côte d'Ivoire anio ny filoham-pirenena malagasy Andry Rajoelina, hiatrika ny fihaonana antampon'ny IDA. Fivoahana ôfisialy voalohany, hatramin'izay nisian'ny hamehana ara-pahasalamana... ♦ Ny filoham-pirenena sy ny Praiministra ihany no tompon-teny amin'ny hanovàna ireo mpikamban'ny governemanta na tsia hoy ny antoko VHT... ♦ Namafisina indray ny fanaraha-maso ireo misalotra lokon'akanjon'ny mpitandro filaminana eny an-dalam-be. Hisy ny fisamborana ireo hita misalotra na mivarotra azy ireny... 

Zavatra maro no tokony harindra ao an-tokandrano. Ny fifampitokisana dia andry iray manamafy ny fifandraisana ao an-tokantrano, izay tokony hisy eo amin'ny mpivady eo amin'ny ankizy, eo amin'ny mpianankavy. Misy fiatraikany eo amin'ny fanabeazana ny ankizy sy ny fiainan'ny fianankaviana ny fifampitokisana. Mila omanina ny firosoana ao amin'ny sehatry ny fanambadiana sy ny tokandrano : fifampizahan-toetra... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...