Nankalazaina ny 27 jona 2021 ny taom-bolafotsin'ny Radio Don Bosco. Onjam-peo naorin'ny salezian'i Don Bosco tamin'ny taona 1996. Teny manentana mandritra ny fankalazana ny hoe : "Firotsahana sy hafaliana : mandehana mampianara ny firenen-drehetra" (Mt 28, 19). 

♦ Hitohy amin'ny andiany faharoa ny fanaovana ny vaksinin'ny Covid-19 eto Madagasikara na teo aza ny fanambaràna nataon'ny masoivoho frantsay momba ny vaksiny Covishild... ♦ Miatrika ny fanadinana BEPC katolika nanomboka androany ireo mpianatra amin'ny taona fahasivy amin'ny sekoly katolika manerana ny nosy... ♦ Nitombo 2% mahery ny tahan'ny isan'ny mpiadina hanao ny fanadinam-panjakàna BEPC ho an'ny  Cisco Antananarivo-renivohitra raha oharina tamin'ny taona lasa... 

♦ Mitohy mandritra ny 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana manerana ny tanin'ny repoblikan'i Madagasikara taorian'ny fakan-kevitry ny governemanta an'ireo filohan'ny andrim-panjakàna. Nanambara ny toromarika ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Notanterahana omaly ny ivon'ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-25 ity onjam-peo mbola ankamaminao ity. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezy Antananarivo, Mgr Jean Pascal Andriantsohavina... ♦ Niavaka ny fankalazana ny faha-61 taona niverenan'ny fahaleovan-tenan'i Madagasikara tamin'ny sabotsy 26 jona... 

Tsapa ankehitriny fa ny "fihibohana" vokatry ny ady amin'ny Covid-19, dia mampiharihary ireo elanelana misy eo amin'ny Vahoaka sy ny Mpitondra, ny mpanankarena sy ny mahantra. Maro ireo mihidy amin'ny tenany sy ny ankohonany ka tsy afaka mivelatra amin'ny asany. Katesizy momba ny Asa fivelomana, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...