♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ity taona ity, manomboka anio, ireo antenimiera mpanao lalana. Hiavaka, tsy ho toy ny mahazatra hatramin'izay ny fanokafana izany, ho an'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Ny alarobia izao farafahatarany, izany hoe rahampitso, no tokony hiverina an-tsekoly ny mpianatra, araka ny toromariky ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena omaly. Ampiharina isan-tsekoly ny fepetra fiarovana ara-pahasalamana...
Talata 4 mey 2021 — Herinandro fahadimy fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 27-31a
♦ Ny alarobia izao, farafahatarany no tokony hiverina an-tsekoly ny mpianatra, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena androany. Hisy fenitra ara-pahasalamana sy ara-pedagôjika apetraka isan-tsekoly, manerana ny Nosy... ♦ Noraisina tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato, ny antoandro teo, ireo "bouteilles d'oxygène", 2000 isa nafarana tany ivelany, entina hanampiana ireo mararin'ny Covid-19. Androany ihany dia efa nentina any amin'ireo faritra mila izany, ireo fitaovam-pitsaboana ireo...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo. Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao izay azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy."
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco