Zoma 14 mey 2021 — Masindahy Matiasy, Apôstôly — Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hahavokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo, hoy ny Tompo — Evan jely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 9-17

Maro ny vokatsoa azo avy amin'ny tontolo iainana eto amintsika indrindra ireo vokatra avy amin'ny fambolena. Isan'ny vokatsoa azo amin'izany ny sakafo sy ny zava-maniry hafa, afaka manamafy ny hery fiarovana ho an'ny vatana manoloana izao ady amin'ny valan'aretina covid-19 izao, hoy Dr Rakotohery Josette mpahay ara-tsakafo sy ny aretina manodidina ny fomba fisakafoana. Misy ohatra vitsivitsy ireo, sakafo manampy hery fiarovana: goavy, poivrons, persil, voasary... 

Alakamisy 13 mey 2021 — I Jesoa Krisy niakatra any an-danitra — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 16, 15-20

♦ Efa maherin'ny zato hatramin'izao ireo mpiasan'ny fahasalamana namoy ny ainy, raha ny tatitry ny sendikan'ny SISFIM. Fanairana manoloana izay tarehimarika izay androany no namaranan'izy ireo ny herinandro ho an'ny mpiasan'ny fahasalamana... ♦ Manameloka ny mbola fisian'ny sidina miditra antsokosoko eto Madagasikara ny sendikan'ny mpiasan'ny fadin-tseranana, na efa misy aza ny Notam mandrara izany. Nanao fanamabrana izy ireo androany, miantso ny fandraisana andraikitry ny Filoham-pirenena manoloana izany toe-java-misy izany...

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...