♦ Mbola marefo ny fampiharan'ny Malagasy ireo fepetra ara-pahasalamana isorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina coronavirus, araka ny fanadihadiana nataon'ny INSTAT... ♦ Mila atao lalàna velona eto amin'ny firenena ny fanajàna ny fepetra sakana hoy ny RSD... ♦ Nandray fepetra ny ankamaroan'ireo faritra manoloana ny fankalazàna ny fetin'ny Paka... 

♦ Hiverina hitafa amin'ny vahoaka Malagasy indray anio amin'ny 08 ora alina ny filohan'ny repoblika Rajoelina Andry... ♦ Mavesatra hatrany ny antontanisa mivoaka momba ny valanaretina coronavirus eto Madagasikara. 11 ireo maty raha ny tatitra nivoaka omaly... ♦ Misedra olana ny fanabeazana any Taolagnaro : Heritaona tsy nandray karama ny mpampianatra Fram, misy ihany ka ny famindran-toerana tsy ara-drariny... 

Sabotsy 3 aprily 2021 — Sabotsy masina — Derao ny Tompo fa tsara : Eny, mandrakizay ny fitiavany! Valion’i Israely manontolo : Eny, mandrakizay ny fitiavany... — Evanjely Masina nosotaran'i Masindahy Marka 16, 1-8

Ny maha zava-dehibe ny fikarohana mikasika ny fiaraha-monina sy ny maha olona manoloana ny zava-misy ankehitriny dia ny Covid-19. Koa satria ny fiaraha-monina dia miatrika fiovana amin'ny lafim-piainana maro, sy amin'ny sehatra maro, noho izany manana adidy hanampy azy ny mpikaroka... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...