♦ Nisy indray ny habibiana amina resaka tsy fandriam-pahalemana. Olona 9 mianaka no voalaza fa nodoran'ny dahalo velona tao amin'ny trano fonenany tao amin'ny kaominina Mahasoa,Betroka... ♦ Mpiasan'ny CROUA eny Ankatso miisa 4 no voalaza fa noesorina amin'ny asany, noho ny fitakiana karama 2 volana... ♦ Hivory anio hariva ny komity mpanantanteraky ny federasiona malagasin'ny baolina kitra, handinika ny kianja handraisan'ny Barea an'i Niger...
♦ Sazy mihantona telo volana miampy lamandy 50.000 Ariary no azon'ny mpisolovava, zanaky ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa, momba ilay raharaha rongony nanenjehana azy... ♦ Nilaza omaly ny teo anivon'ny holafitry ny mpisolovava fa tsy ara-drariny ary tsy ara-dalana ny nanenjahana an'i Maître Francesca, momba izao raharaha izao ka nanambara ny tsy hipetra-potsiny izy ireo....
Talata 23 febroary 2021 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 7-15
♦ Nivoaka androany ihany ny didm-pitsarana momba ny raharaha nahavoarohirohy ilay mpisolovava, zanaka vavin'ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy ara-drariny izao fanenjehana izao, hoy ny eo anivon'ny Holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara... ♦ Nitondra fanazavana momba ity raharaha ity koa androany ny eo anivon'ny EMOREG. Nilaza izy ireo fa tsy misy idiran'ny resaka politika ny fisamborana io mpisolovava io ny faran'ny herinandro teo...
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco