Sabotsy 20 febroary 2021 — Sabotsy manaraka ny lavenona — Ankehitriny, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra Aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 27-32
♦ Hitodika ao an-drenivohitra ny mason'ny mpanara-baovao rehetra rahampitso, amin'ny fikasan'ireo solombavambahoaka, hanao tatitra amin'ny vahoaka eny amin'ny kianjan'Ambohijatovo. Arahantsika eto ireo fanehoan-kevitra samihafa, manoloana izany... ♦ Olon-tokana akaiky ny mpitondra no mifehy ny asa fandraharahana eto Madagasikara, hoy ny solombavambahoaka Roland Ratsiraka...
Lesoka lehibe ho an'ny fivoaran'ny famokarana eny ambanivohitra ny tsy fahampian'ny teknisiana manoro lalana azy ireo momba ny haitaom-pamokarana. Antony nahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra manofana ireo tantsaha any amin'ny faritra misy azy ireo...
Tsy nahafaly ny teo anivon'ny Banky Iraisam-pirenena ny tsy nampakarana ny vidin-jiro teo Madagasika, noho ny ambarany fa faty antoka mahazo ny orinasa Jirama vokatr'izany. Manambana ny tsy hanome famatsiam-bola araka ny tokony ho izy an'i Madagasikara izy raha tsy tanterahana izany, izay fifanarahana efa neken'ny ORE
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco