♦Nifona sy niala tsiny tamin'ny fitsaràna sy Rolly Mercia ny mpitarika ilay hetsika teny Ambohipo, tamin'ny 13 jolay 2020, lainga hoy izy ny filazany... ♦ Misy orinasa iray avy any Dubai mitory ary mitonona ho tompon'ilay volamena tratra tao Afrika-atsimo... ♦ An'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana any Rangoun izay manohitra ny nanesorana an'i Aung San Suu Kyi... 

♦ Hifamontoana eny Imerikiasina anio ny mpanohitra ahitàna ny RMDM, TIM, HVM... ♦ Tsy handefitra amin'ny mety hisian'ny fioharam-pefy ny avy amin'ny mpitandro ny filaminana anio manoloana ny hetsiky ny mpanohitra... ♦ Nioso tamin'ny fandroahana ireo masoivoho miasa ao aminy ny any Moscou... 

Sabotsy 6 febroary 2021 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34

Olona manodidina ny 50.000 no handray anjara amin'ny fitsangatsanganana karakarain'ny mpanohitra, rahampitso eny Imerinkasinina. Efa milamina sy mirindra ny fandaminana rehetra. Ho rakotra mpitandro ny filaminana kosa ny ao Antananarivo sy ny manodidina rahampitso...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...