Nampahatsiahy ny maha lohalaharana an'i Etazonia amin'ny famatsiam-bola an'i Madagasikara eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ny Masoivoho amerikana, ary nambarany fa 62 tapitrisa dolara isan-taona ny vola namatsiana ny USAID, nanohanana an'i Madagasikara...
♦ Ny lalàna velona eto amin'ny firenena no tokony ampiharina amin'ny fametrahana ny mpanohitra amin'ireo toerana natokana ho azy amin'ireo andriampanjakàna isan-tsokajiny... ♦ Efa tonga eto Antananarivo nanomboka omaly ny ampahany amin'ireo vary 7.000 taonina nafaran'ny fanjakàna...
Tsy azo ekena intsony ny fanakorontanana eto amn'ny firenena hoy ny Praiministra, omaly nandritra ny famoriany ireo tompon'andraikitry ny fandriampahalemana eto Madagasikara. Handray ny andraikiny ny EMO National manoloana izany, hoy izy...
Alarobia 27 janoary 2021 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 1-20
• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco