♦ Miverina tsikelikely amin'ny laoniny  ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Toliara taorian'ny zava-nitranga tamin'ny herinandro. Tsy maintsy voaloa ny vatsim-pianarana... ♦ Manameloka ny herisetra atao amin'ny mpiasan'ny fahasalamana ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Voavaha ankehitriny ny olana momba ny fambolem-bary tsy nahafahana nampiakatra araka ny tokony ho izy ny vokatra ho an'ny ety anivon-tany noho ny tsy fahampian'ny phosphor...

Ny fandaharana dia namaritra tetiandro, indrindra amin'ity taona ity dia ny firesahana ny tanjona ara-pahasalamana mahakasika ny vehivavy. Mba hanampiana ny vehivavy ohatra ny firesahana ny antony mankarary kibo ny vehivavy rehefa ao anatin'ny fadimbolana ; satria potika sy miharava ny rindrin'ny tranon-jaza. Misoroka  ny fanaintaina  ny fisotroana rano mafana...

♦ Manaiky ny handoavana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny enivon'ny oniversite manerana ny nosy ny fitondram-panjakàna. Nampitsahatra ny fitakiana nataony ny mpianatra tany Toliara... ♦ Namboly hazo teny amin'ny kaominina Ambalavao ny faran'ny herinandro teo ny teo anivon'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Nilamina ny teto an-drenivohitra ny sabotsy teo, tsy tonga teny Ambohijatovo ny RMDM... 

Alatsinainy 1 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...