Ekena tsy misy tomika lalan-dava àry ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fahamasinany ao amin'ny Soratra Masina, ary anefa miharihary koa ny fietrena mampitolagaga nasehon'Ilay Fahendrena mandrakizay "mba hahalalantsika ny hatsaram-po tsy hay lazaina misy ao Aminy sy ny rindram-piteny nampiasainy mba hitsinjovana sy hitandroana ny maha olombelona antsika"... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Alahady 28 septambra 2025 - Alahady faha-26 mandavantaona — D : Ny soa atao levenam-bola. Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ho anay, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Mbola ho hita hatrany ankoatra ny elanelana mpampisatrakany mpanana sy ny mahantra eto an-tany ; anefa ny harena dia tsy ny vola ihany fa eo ihany koa ny fahaizana amam-pahalalana, ny talenta sy ny hatsaram-panahy. Ny fahantrana dia miseho amin'ny endriny maro toa ireo tsy nahazo fanabeazana, very zo, ireo tsy misokatra ara-panahy. Io elanelana io dia hitsimbadika any ankoatra any ka ireo ory teto an-tany dia ho tojo hasambarana...
♦ Handray fepetra entitra ho famerenana ny filaminam-bahoaka ny mpitandro ny filaminana mivondrona ao amin'ny EMMONAT. Ambenana manokana ireo toerana saropady isorohana ny fandrobana... ♦ Miantso ny hisian'ny fifampihainoana sy ny fifampiresahana manoloana ny zava-misy eto amin'ny firenena ny Filohan'ny FJKM teo aloha ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi... ♦ Sesilany ireo fanambarana manameloka ny fandrobana sy ny fanakorontanana niseho tamin'ny tanan-dehibe maro manerana ny nosy tao anatin'ny roa andro izay...
♦ Nambaran'ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina fa tetika pôlitika efa voahomana iny hetska "Leo delesatazy" izay nivadika fanakorontanana sy fandrobàna iny ; noesorina tamin'ny toerany ny Ministry ny Angovo, Jean Baptiste Olivier... ♦ Nodimandry omaly zoma ny solombavambahoaka voafidy tany Betioky-Atsimo, Jean Jacques Rabenirina. Voahosin'ny camion teny Andoharanofotsy ny tenany, raha nandeha nijery ny zava-nisy tamin'ny hetsika "Leo delestazy" ny alakamisy hariva teo... ♦ Namoaka fanambaràna ny fivondronamben'ny Eveka sy ny FFKM, manoloana ny hetsika nitarika korontana nahafatessana olona sy nahasimbàna zavatra maro...
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco