Marihana isaky ny 8 jona ny andro erantany ho an’ny ranomasina, araka ny nametrahan’ny Firenana Mikambana azy.
Manao adisisika amin’ny tokony hampihenana ny trosan’i Afrika amin’ireo firenena matanjaka, manoloana ny voka-dratsy ateraky ny covid-19 amin’ny fiainan’ny vahoaka afrikanina ireo Evekan’i Afrika mivondrona ao amin’ny SCEAM (Symposium des Conférences Episcopales d’Afrique et de Madagascar).
Tanterahina manomboka ny alatsinainy 8 jona ilay hetsika ara-barotra mandeha amin'ny tambazotra sosialy ao Vatican, antsoina hoe "We run together" na hoe "Hiara-hihazakazaka isika".
Vonona hatrany hanohana sy hikarakara ny marary sy ireo olona marefo ao amin’ny faritr’i GAZA ny CARITAS ao Jerosalema. Nanamafy izany ny tale mpanatanterak’io sampana mpanao asa soa io.
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco