Fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany. Ny vakiteny voaloha sy ny faharoa amin'ity alahady ity dia mitantara ny fiainam-pinoana nananan'i Abrahama sy Sarah vadiny ary ny fampanantenana nataon'Andriamanitra tamin'izy ireo, mpivady efa samy antitra anefa dia nino ny Tenin'ny Tompo ka dia lasa fianakaviambe. Raha ny fiainam-pianakavina no tomombana tsara dia handroso ny fiaraha-monina. Ny Evanjely dia maneho ny fanarahan'i Md Joseph sy Masina Maria ny lalàna momba ny finoana sy ny lalam-panjakàna, ary io no endriky ny Fianakaviana Masina...
Tonga nofo ny teny mba ho ohatra ho antsika fa môdely amin'ny lafiny rehetra ; ny sehatry ny asa no resahina amin'ity katesizy ity satria ny fanaovana ny asa ampahamarinana sy ampamendrehana dia tsy antoky ny fivoarana fotsiny fa antoky ny fahamasinana ihany koa. Mila mitandrina ny zava-boahary isika olombelona mba hitondra soa sy harena ho an'ny rehetra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Zavatra roa samy hafa ny "Mazistera" sy ny "teôlôjia" anefa mifameno : iry voalohany fampianarana avoakan'ny Papa sy ny Eveka mikasika ny fitondrana ny vahoakan'Andriamanitra ; ny teôlôjia kosa dia fandalinana sy fianarana momba an'Andriamanitra sy ny finoana, fanadihadiana mifototra amin'ny fiekem-pinoana. Ny Eveka tsirairay no manana ny andraikitra maha mety ny hanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana amin'ny alalan'ny Papa Ray Masina mba hifanaraka amin'ny fomban-tany iray. Ny fampianaran'ny Fiangonana dia mitandro hatrany ny fiarovana ny aina...
Ny olombelona rehetra no mpihavana satria tonga mpiray tampoho noho ny zanak'Andriamanitra. Tsy maintsy miala amin'ny toe-tsaina samy maka ho azy ary mandray ny olona rehetra ho rahalahy ka tsy hanavakavaka na hanilika na iza naiza raha tena mivelona ny misterin'ny fahatongavana ho Nofo ny olona tsirairay. Miantso antsika hiverina amin'ny tany sy hikarakara azy hamokatra ny misterin'ny fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny olona velona dia tsy maintsy miasa, maro ny fampianaran'ny fiangonana mikasika ny maha zava-dehibe ny asa. Ny mpiandry ondry olona voalohany nahita ny zanak'Andriamanitra teraka dia olona nanana ny asany amin'ny maha mpiandry ondry azy ; toraka izany koa ireo majy olona mpandinika ny kintana sady nanana fanatitra saro-bidy izany hoe tsy olon'olom-poana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny anton'ny fahatongavana ho nofo dia ho fanatontosana ny asa famonjena. Araka ny fiekem-pinoana Nicée-Constantinople hoy isika hoe "... ary isika olombelona sy ny famonjena antsika no nidinany avy any an-danitra, ary naka nofo tamin'i Maria Virijiny Izy noho ny herin'ny Fanahy Masina ka tonga olombelona". Raha tena mino an'i Jesoa tonga olombelona dia miezaha ho mendrika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Fomba maro no entin'ny raiamandreny mampita mistery lehibe amin'ny zanany raha miresaka ankohonana isika : satria Andriamanitra tonga zazakely dia atao fetin'ny ankizy ka fanomezana kilalao no tandindon'izany, anefa dia takona ilay tena fototry ny famonjena sy ny tantara noho ireny. Manana adidy ny raiamandreny hitondra fanazavana sy fampahafantarana ny tena voalazana ara-Tsoratra Masina. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ny misterin'ny fahatongavana ho nofo : maneho ny maha Izy an'Andriamanitra : tsy mivadika fa manatanteraka izay ampanantenainy tamin'ny alalan'ny mpaminany Izaia mahatsinjo ao amin'ilay Emanoela hateraky ny virijiny ilay tsodrano ho an'ny vahoaka. Io mistery lehibe io no ankalazaintsika izao, noho izany tsy voafetran'ny indray andro "25 desambra" fa tantaram-pamonjena iray manontolo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Andron'ny Noely ny 25 desambra : Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'ny Tompo ; miantso antsika mba ho iray tampo aminy ny zanak'Andriamanitra ; mamiratra amintsika ilay andro masina koa avia ry firenena rehetra mitsaoka ny Tompo satria nidina androany tety an-tany ilay fahazavana lehibe. Andriamanitra no mpanavotra izany hoe ilay manafaka ny rehetra anatin'ny fahantrana izay hisalotra fahafahana ka ho azo antsoina hoe navotan'ny Tompo, irina, tsy hafoy...
Ny Papa François ao amin'ny Exhortation Apostolique Evangelii Gaudium n°54 dia milaza fa " Saika tsy tsikaritra fa lasa tsy mahay mangoraka isika manoloana ny fitarainan’ny hafa, tsy mitomany intsony eo anatrehan’ny fahorian’ny hafa, ny fiheverana azy ireo dia tsy mahaliana antsika, toy ny hoe ny zava-drehetra andraikitry hafa fa tsy andraikitratsika. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Alahady fahaefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo hanoloran'ny Fiangonana ny hevi-dehibe hoe : ny hevitr'Andriamanitra, tsy hevitsika. Ny Evanjely Masina nosoratan'i Md Lioka 1, 26-38 dia azahoana fintina hoe : indro hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy. Soa kokoa ny hevitr'Andriamanitra noho ny hevitr'olombelona : te hanorina Tempoly ho an'Andriamanitra i David fa Andriamanitra te hanorina Fanjakana tsy manam-pahataperana ; ny Jody nanantena mpamonjy ho azy fa mpamonjy ho an'izao tontolo izao ny nomen'Andriamanitra...
Matoky sy manankina ny fiainany amin'Andriamanitra ny Kristiana. Marina fa tokony hiezaka hanao izay fara hery isika amin'ny asa fivelomana saingy tokony matoky tanteraka ny fitondran'Andriamanitra ny fiainantsika ihany koa satria " ny fon'ny olona no misaina izay alehany, fa ny Tompo ihany no mitondra ny diany". Apetraho amin'Andriamanitra izay atao rehetra sy ny fikasana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco