• Efa naroso ny daty hanaovana ny fikaonandoham-pirenena. Tokony mbola ho amin'ny volana jolay aza no saika hanombohana izany, hoy ny Minisitra misahana ny Fanavaozana... • Efa mihatsara amin'izao ny lalam-pirenena fahefatra, izay tena nampitaraina ny mpampiasa lalana teo aloha teo. Voalaza fa efa mihena ny fotoana lany amin'ny fandehanana, noho ny asa fanarenana... • Naaton'ny Federasiona amin'ny asany ny Filohan'ny Seksiona Antananarivo Renivohitra, eo amin'ny taranja Karate. Fikasana hitarika fikomiana sy fitoriana ny Federasiona eny amin'ny Fitsarana no anton'ny fampiatoana...
• Tovovavy roa handeha hitsangatsangana no voahitsaky ny fiaran-dalamby teny Soanierana omaly alatsinainin'ny Pantekoty. Namoy ny ainy noho ny ratra nahazo azy ny iray tamin'izy ireo... • Niampy 12,5 Mw crête, nanomboka ny faran'ny herinandro teo, ny famokarana herinaratra azo avy amin'ny herin'ny masoandro ho an'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo... • Tratra ny ampahany amin'ireo tambajotra mpanondrana volamena antsokosoko, miainga etsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato. Olona 14 no nosamborina tamin'izany...
♦ Mitaky ny hanohizana ny fanadihadiana lalina momba ireo raharaha lehibe teto amin'ny Firenena tamin'ny andron'ny fitondrana teo aloha ny antoko KINTANA. Anisan'ireny ilay raharaha fanodikodinana volabe 4.000 miliara latsaka kely... ♦ Tsy maintsy manana "Permis de conduire" avokoa manomboka izao ny mpitondra fiara sy kodiaran-droa misy "moteur" rehetra, hoy ny ATT... ♦ Misy tambajotra goavana matanjaka ambadiky ny fanondranana sokatra an-tsokosoko eto Madagasikara. Antony mbola maha-sarotra ny fiarovana ny sokatra, raha ny tatitry ny sampandraharaha T.S.A...
Alahady 24 mey 2026 - Alahady Pantekôty - Mpankahery sy Mpanazava ary Mpampihavana, Ny Fanahy Masina. Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino; ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao. 50 taona taorian'ny nitsanganan'i Jesoa tamin'ny maty ; ny Pantekôty dia tandindon'ny niforonan'ny Fiangonana voalohany sy ny fotoana nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ireo Apôstôly sy i Masina Maria. Ny andro alahady dia fankalazana ny Paka no andro nahaterahan'ny Eglizy. Ny fidinan'ny Fanahy Masina tamin'ireo mpanara-dia an'i Jesoa dia hery hanohizana ny asa-pamonjena...
Somary sarotra ny famaritana ny aretina mahazo ny fo satria maro ny taova manodidina ity taova ity ary indrindra ao anaty tratra. Mila famonjena faran'izay haingana ny fanaintainan'ny fo satria 30 hatramin'ny 120 minitra ihany no afahana mamonjy ity olana mpahazo ny fo ity. Mety ho fanaintainana eo amin'ny hatoka, sandry havanana, valanon-drano no fambara amin'ny olan'ny fo, fa tsy voatery ny fo mivantana, noho izany vao misy ireo fambara ireo dia tokony hanantona toeram-pitsaboana.... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Nankalazaina omaly ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristiana. Ankizy mpianatry ny Ivon-toeram-piofanana arak'asa tantanan'ny Saleziana ety Ivato no nandray fahasoavana tamin'izany... ♦ Hiroso amin'ny fandaminana vaovao hanalefahana ny toham-boivoy ny tanàna an'Antananarivo. Kasaina hampiharina amin'ireo lalana miditra ny renivohitra ny antsoina hoe "Circulation alternée"... ♦ Voasazy higadra roa taona sazy mihatra ny Ben'ny Tanàna an'Antehiroka teo aloha, Lalaina Vatosoa, raha ny didim-pitsaràna navoakan'ny Pac. Nomelohina noho ny fivarotana tanin'olona niampy fanararaotam-pahefana izy...
Adidin'ny tsirairay ny ady amin'ny kolikoly sy ny fidinana an-dalambe mety hanimba ny fiainam-pirenena. Rariny ny hamahana ny olana mianjady amin'ny vahoaka hialana amin'ny fifandirana ; tokony hirindra sy tsy hisy fifanoherana ny toro-marika avy any amin'ny foibe mimpaka aty ifotony. Ilaina ny fandinihan-tena, ny fifamelan-keloka, tsara raha samy handray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, singa iray ny fikaonan-doha handaminana izany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Niavaka ny fanamarihana fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina, tao amin'ny Centre de Formation Professionnelle Marie Auxiliatrice Ivato, androany... • Marihina isany ny faha-23 mey ny andro maneran-tany ho an'ny sokatra. Naroso androany 22 mey ny hetsika fankalazana ho antsika teto Madagasikara, izay natao teny amin'ny valan-javaboaharin'i Tsimbazaza... • Samy tafakatra hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany amin'ny taranja Basketball lalaovin'olona telo, ny ekipam-pirenena malagasy Ankoay lehilahy sy Ankoay vehivavy...
Tsy manao ambanin-javatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely iantsorohan’ireo mpikambana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Nikarakara atrik’asa nandalinan’ireo mpikambana ao aminy ny lalam-pihariana fiompiana tantely ireo ny faha 4 sy ny faha 5n’ny volana may teo. Atrik’asa natao teto an-drenivohitra teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano...
• Aoka ho fiainantsika ny 4F, hoy ny hafatra Pantekoty, avy amin'ny FFKM... • Fanapahan-kevitra niarahana nidinika tamin'ny Prefektioran'ny Polisy sy ireo Lehiben'ny Distrika ary ireo olom-boafidy eny ifotony, ny firosoana amin'ny fanoloana ny Lehiben'ny Fokontany ao Antananarivo... • Efa tonga ao Toamasina ankehitriny, ny fantson-drano lehibe hahafahana mamatsy rano madio fisotro ny any amin'ny faritra Ambovombe-Androy...
Maro ny voka-dratsy vokatry ny fihinanana paraky sy fifohana sigara, amin’ny tena sy ny manodidina, tsikaritra fa miha tanora ny mpanjifa azy ireo. Mahatratra eo amin’ny 4000 eo ny karazana poizina entin’ny setroka sigara: hhatra nicotine, goudron, monoxyde de carbone, cyanure d’hydrogène; etsy ankilany ny paraky dia manana taha mihoatra lavitra ny nicotine ao anatin’ny sigara telo fohana. Mila fiaraha-mientana ny ady amin’ny fifohana sigara sy fihinanana paraky... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Nanampy isa ireo mpanao politika nofonjaina vonjimaika koa Andriamatoa isany Raholdina Naivo sy Rafanomezantsoa Jean Nirina... • Tsy hihemotra intsony ny fitarihana ny fikaonandoham-pirenena, ary efa vonona ny FFKM, hoy ny Filoha,a Mgr Ranarivelo Samoela Jaona... • Namaly ny fampitandremana mandeha amin'ny fisotroan-drononon'ny miaramila, ny Filohan'ny Fanavaozana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco