11 desambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka (Lk 5, 17-26)

Ny hafatry ny Eveka mikasika ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena dia navoaka ny 25 desambra 1973 : tsy anjaran'ny Eveka sy ny Pretra... ny mibaiko ny kristiana amin'ny tsanga-kevitra pôlitika tokony harahiny na ny antoko pôlitika tokony hidirany na haoriny... Ny hany anjaran'ny Eveka sy ny Pretra dia ny manampy ny kristiana hitsara sy handanjalanja ireny raharaha ireny, mifototra amin'ny soa iombonana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

10 desambra 2023 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 1, 1-8)

Ny 29 mey 2018 dia nanao hafatra ny fivondronamben'ny Eveka, namporisika ny kristiana sy ny tsara sitrapo ho tonga mpanangana firenena amin'ny alalan'ny asa sy ny fahamarinana : ho taranaka mpanorina isika raha mifanaja sy manao ny marina, lavitry ny korontana sy ny herisetra, antoky ny filaminana sy ny fikatsahana ny soa iombonana, mitondra amin'ny fampandrosoana maharitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny famporisihana ny lahika hikatroka amin'ny politika dia nisongadina tao amin'ireo hafatra an-taratasy avy amin'ireo Eveka. Ohatra : 26 marsa 1972 "Ny Eglizy sy ny fivoarana eto Madagasikara" izay mandrisika ny lahika hiaro sy hampitombo hatrany ny soa iombonana sy ho fampivoarana ny tanindrazana. 2 desambra 1973 : "Ny Eglizy sy ny raharaham-pirenena" izay manazava ny anjara andraikitry ny Eveka mikasika ny politikam-pirenena. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Ny hafatry ny Eveka tamin'ny 27 jolay 1980 dia nanasongadinany ny fanjakan'ny baranahiny vokatry ny tsy fanajana ny zon'olombelona sy ny fitsipahana ny soatoavina ara-panahy. Hoy ny kardinaly : ny antson'Andriamanitra manokana ho an'ny lahika dia ny manabe voa ny Fanjakan'Andriamanitra eo amin'ny fandraharahana ny zavatr'izao tontolo izao ho araka an'Andriamanitra. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

9 desambra 2023 — Sabotsy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)

8 desambra 2023 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Hevitra roa no azo handravonana ireo taratasin'ireo Evekan'i Madagasikara ny mikasika ny fifandraisan'ny Fanjakàna sy ny Eglizy katôlika teto amin'ny nosy. Voalohany, ireo taratasy mamporisika ny lahika katôlika hikatroka amin'ny politika indrindra tao aorian'ny 1972. Ny faharoa, mampitandrina sao misy fahadisoan-kevitra satria tsy natao hanohanana firehan-kevitra politika ny fivavahana... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

7 desambra 2023 — Alakamisy, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 7, 21. 24-27)

Ny vatsim-panahy dia fandalinam-pinoana sy hizarana sori-dalana pastoraly. Tsy misy olona mamonjy tena samirery fa miara-dalana. Taona litorjika vaovao indray no atolotry ny Eglizy hiainantsika dia ny "fiavian'ny Tompo". 28 andro no hiomanana amin'ny noely izay fiavian'ny Tompo. Ny Evanjely vakiana amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana dia milaza ny fotoana hatongavan'i Jesoa eo anivon'ny olona indray, ka ny toetra tokony hananana hiatrehana izany no resahina betsaka ao : miambena izay midika hoe mivonona ara-panahy...

Amin'ny maha-Mpaminany ny Eglizy, ambaran'ny Konsily fa "tokony hahazo milaza ny heviny izy ny amin'izay mikasika ny fitondran-tena na dia amin'ny zavatra momba ny pôlitika aza, raha toa izany mikasika ny zo-fototra sy ny famonjena ny olombelona. Ny ampiasaina amin'izany dia ny zavatra rehetra mifanaraka amin'ny Vaovao Mahavaly sy ny soa ho an'ny rehetra araka ny toetr'andro sy ny toe-javatra samihafa. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...