Article Index

Tantaran'ny RDB

Tonga teto Madagasikara ny salezianina tamin'ny 1981, nentanin'ny hafanampon'ny "Vina Afrika" (Projet afrique), ary avy hatrany dia nisongadina tamin'ny fitrandrahana ny sehatry ny Serasera.

Folo taona tato aoriana dia nitsiry ny hevitra hanao Radio, ho fitaovam-pitoriana ny Vaovao Mahafaly sy fampivoarana ny ara-tsôsialy.

Tanteraka ny nofinofy nony neken'i Mômpera Luigi Zuppini lehiben'ny Fikambanana sy ny filànkeviny ny faniriana hanao Radio. Voatendry ho tale voalohany i Mômpera Luca Treglia, nanampy azy niandraikitra ny fanofanana ny ho mpandraharaha i Mômpera Rosario Salerno.

Nandritra ny taona 1995 sy 1996 dia nanolotra fampiofanana mpandraharaha amina asa fampielezam-peo ity Radio vao hisokatra, hanomànany ny ho mpiasa ao aminy. 

Raikitra fa "RADIO DON BOSCO" no hatao anarany ho fankasitrahana an'i Masindahy Joany Bosco mpanorina ny Fikambanana Salezianina. Ny teny faneva "Plus je l’écoute, plus je l’aime", dia manambara mazava ny fanamby avo lenta hametrahana ny Radio Don Bosco ho Filamatra eto an-drenivohitra Antananarivo. ("Arakaraka ny hihainoako azy no itiavako azy").

Ny 27 jona 1996 no notokànana ny Radio Don Bosco ka nampiely voalohany ny onjam-peony amin'ny fomba ôfisialy. Ny Kardinaly Armand Gaétan Razafindratandra no nitarika ny lanonana, notronin'ny olo-manan-kaja maro avy amin'ny sehatra pôlitika sy ara-kolotsaina.

Nandimby an'i Mômpera Luca i Mômpera Cosimo Alvati teo amin'ny fitantanana ny Radio, nanomboka ny taona 1998 hatramin'ny 2006.

Niverina kosa indray ny volana marsa 2006, ary talen'ny Radio Don Bosco mandraka ankehitriny, i Mômpera Luca Treglia.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...