Matetika dia avy amin'ny fianakaviana misy raiamandreny mpikatroka, mpandray andraikitra ao amin'ny Fiangonana no ipoiran'ny fiantsoan'Andriamanitdra ho amin'ny fandraharahana masina. Napetraka ho ohatra tokoa mantsy ny raiamandreny. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Mikasika ny hasarobin'ny fianakaviana dia hoy ny Konsily Vatikana II : "adidin'ny kristiana rehetra tsy an-kanavaka ny mikolokolo ny fiantsoan'Andriamanitra... Mahefa be indrindra amin'izany ny fianakaviana rehefa misy ny finoana sy ny fitiavana an'Andriamanitra.  Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Sarobidy eo imason'Andriamanitra ny fianakaviana ka tsy nisalasala Izy nifidy ny fianakavian'i Josefa sy Maria hiahy ny Zanany rehefa tonga hanatontosa ny asam-pamonjena teto an-tany Izy. Ny fanotronan'i Jesoa ilay fampakaram-bady tao Kanà dia ampy hilazana fa sarobidy ny fianakaviana. Hoy i Md Paoly : raha misy maniry ny ho pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy. (I Tim 3,1). Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

Tsy misy teraka tonga dia Mpandraharaha-Masina fa ny tontolom-pivoaran'ny fiainana no mahatonga ny olona iray ho amin'izany lalana izany. Ny tontolo mamolavola ny fiantsoan'Andriamanitra dia ny fianankaviana, ny fiaraha-monina, ary ny ankohonam-piangonana. Katesizy momba ny antso ho amin'ny fandraharahana masina, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...